Asa saro-pady ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka. Tsy ekena ny tandrevaka sy ny karazana fisolokiana amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Sarotiny amin’ny asany ireo holafitra isan-tsokajiny ary manao tsindrim-peo amin’ireo tsy nianatra momba izany sehatra izany akory kanefa manao ilay asa. Mitondra fanazavana ny Holafitry ny infirmiera, Holafitry ny mpitsabo nify, Holafitry ny mpampivelona ary ny Holafitry ny farmasianina.
Anisan’ny holafitra zandriny indrindra ny Holafitry ny infirmiera. Nijoro ny taona 2007 ary efa 18 taona izy izao, araka ny fanazavan’ny filohany Andrianarison John Jean Aimé Botosera. Nandritra ny fanaraha-maso natao dia efa nahatratra 300 ireo olon-tsotra nisoloky manao ny asan’ny infirmiera manerana ny Nosy. Zava-doza izany ary loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka mihitsy. Fanentanana ireny olona ireny no natao mba hianatra ilay asa mihitsy, miditra amin’ny sekoly ary mahafehy tsara ilay asa. Miditra anatin’ny lisitry ny holafitra avy eo. 45 000 ireo mpikambana izay tsy mbola mahasahana ny filan’ny firenena mihitsy. Betsaka ihany koa ireo efa nisotro ronono, misy ireo tsy manana diplaoma, ao ireo efa tena lehibe…
Rehefa mivoaka amin’ny fianarana ny mpianatra dia tokony hiditra any anatin’io rafitra io avy hatrany. Maro ireo nahavita fianarana tsy manana karatra maha mpikambana akory kanefa miantsehatra any amin’ny tobim-pahasalamana.

Ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony tena manampy saingy lasa mpifaninana amin’ny mpiasan’ny fahasalamana izy ireny ary lasa mitsabo sy mampiteraka mihitsy aty aoriana. Lasa miteraka olana eny amin’ny fiarahamonina izany. Mila harindra tsara izany rehetra izany, hoy hatrany ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera.
Tetsy andaniny, ny filoha lefitry ny farmasianina, Razanadimby Larissa, kosa dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fividianana fanafody eny amin’ireo mpivarotra fanafody ara-dalàna sy azo antoka. Iankinan’ny fahasalamana ny fanafody ka tsy tokony hatao antsirambina ny kalitaony. 400 ny farmasianina manerana ny Nosy. Eo ireo mpiasam-panjakana, amin’ny sehatra tsy miankina na ny amin’ny ONG sy ny orinasa. Misy ny farmasianina mpanara-maso mijery ny zava-misy. Misy dêpot de medicament tantanin’ny olon-tsotra voaofana hanampy ny toerana tsy tongan’ny farmasianina. Manampy amin’ny famatsiana fanafody izy ireny. Misy koa ny fampianarana izany ao Mahajanga hanampy ny farmasianina manerana ny Nosy. Heverina ho ampy ny isa afaka 5 taona any ho any.
Tsy tokony hanao dokambarotra ny rasazy sy ny mpanao solonify
Asa masina sy tena ilana fitandremana ary fahaizana ny asan’ny rasazy. Efa nijoro tany amin’ny taona 1962 ny holafitra, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ONSFM, Rasoanaivo Tianamalala José Oliva. Nanamafy ny tenany fa tsy azo hanaovana dokambarotra ny asan’ny rasazy. Voakasik’izany ny eny amin’ny tambajotra sosialy izay ahitana ireo rasazy lasa “influenceur” mihitsy mampiroborobo ny asa maha rasazy azy. Fanajana ny ain’ny reny sy ny zaza ary fampihenana ny taham-pahafatesan’ireo no tanjona. Rasazy iray misahana reny 5 000 raha ny fenitra iraisam-pirenena. Eto amintsika anefa rasazy iray misahana reny 8 000 ary tsy mahasahana an’i Madagasikara manontolo izany. Any ambanivohitra, tena miasa ny renin-jaza ary tena manampy amin’ny fampiterahana izy ireny. Misy koa anefa ny fanofanana rasazy miantsehatra eny ifotony. Omena trano sy fitaovana izy ireo hahafahany mandray an-tanana ny fanarahana vohoka sy fampiterahana. Nanentana ireo rasazy rehetra hiditra anatin’ny holafitra ny filohany mba hanamorana ny fanisana sy hisian’ny lamina.
Ny sekretera jenaralin’ny Holafitry ny mptsabo nify, Rakotomandimby Léa Clémence, ihany koa dia nanamafy fa tsy azo atao ny manao dokambarotra ho an’ireo mpanao solonify. Tsy manana fahefana hanokatra vavan’olona akory izy ireny. Tsy mifanerasera amin’ny marary fa mpiara-miasa amin’ny mpitsabo nify fotsiny ireo mpanao solonify. Mbola betsaka anefa ireo manao dokambarotra maneho takelaka mihitsy hoe “mpanao solonify ato”. Toraka izany ny eny ambony tambajotran-tserasera. Miisa 1 400 ny mpikambana ao anatin’ny holafitra saingy 800 no tena am-perinasa ankehitriny.
Nanatontosa : Tatiana A.




