Paikadim-pirenena mandritra ny dimy taona hoavy izy io, hamaritana ny asa mifandraika amin’ny sehatra voakasiky ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro
Nandritra ny fandrafetana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ho an’i Madagasikara voalohany sy faharoa (CDN 1 sy 2), ny tekinisianina teo anivon’ny minisitera voakasika sy ny manam-pahaizana avy amin’ny mpiray ombon’antoka no namolavola azy. Ho an’ny CDN3 kosa, alaina ny hevitry ny tanora isam-paritra ary entanina izy ireo hametraka tetikasa iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro horaiketina an-tsoratra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Max Andonirina Fontaine, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisitera, Antsahavola. Hatolotra mandritra ny COP 30 any Brésil, ny faran’ny taona izao io CDN 3.0 io. Paikadim-pirenena mandritra ny dimy taona hoavy izany, hamaritana ny asa mifandraika amin’ny sehatra voakasiky ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro: sehatra mpandefa entona mangeja hafanana, ny fambolena sy ny fiompiana, fitaterana…
Hampiavaka ny fandrafetana ny CDN 3.0 ho an’i Madagasikara ny fomba fiasa handraisana ny hevitry ny rehetra, indrindra ny tanora. Miankina amin’ny votoatin’ity paikady ity ny hoavin’ny famatsiambola amin’ny sehatra samihafa eto amintsika.
Toerana efatra no hamondronana ny tanora avy amin’ny fikambanana sy ny orinasa ka miisa 10 (14 taona -35 taona) no handray anjara amin’ny fakan-kevitra ofisialy. Mialoha io anefa, hisy ny fakan-kevitra isaky ny faritra sy fampiofanana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy fampahafantarana ny CDN ahafahan’ny tanora mametraka ny andraikiny manoloana ny ady iombonana, hoy ny filohan’ny Alliance Aika.
Any Toamasina no hanombohana ny hetsika, ny 28 sy 29 jolay, ahitana ny solontenan’ny tanora maro. Manohana ny fakan-kevitry ny tanora ny Unicef sy ny UNFPA satria ny tanora sy ny vehivavy no tena mizaka ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Efa manana antontanisa momba ny fikambanan’ny tanora misehatra amin’ny lafiny samihafa heverina fa mahasolo tena ny tanora rehetra ny Aika sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana.
Vonjy




