Notanterahina tamin’ity herinandro ity, nandritra ny telo andro, teny Andakana, ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao sy fandrindrana ny vondrona sektoraly logistika eo amin’ny lafiny maha olombelona, iarahan’ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon’antoka. Natao, nandritra izany, ny jery todika avy amin’ny asa fanampiana teo aloha. Eo ihany koa ny fanombanana sy ny fanatsarana ny fandrindrana logistika. Napetraka, araka izany, ireo ekipa mpitantana miaraka amin’ny fandrindrana matotra izay hoentiny. Natsangana ihany koa ny drafi-piaraha-miasa misy tanjona sy fepetra mazava. Naroso ireo fanatsarana ahafahan’ireo vondrona mandinika sy mikarakara miaraka ireo olana ara-logistika lehibe, indrindra amin’ny fotoan’ny krizy. Eo ihany koa ireo fanatsarana hoentina hiatrehana ny vanim-potoan’ny rivodoza sy ireo loza voajanahary mety hisy ny taona 2025-2O26. Tonga nanokatra izany atrikasa izany tamin’ny fomba ofisialy ny talen’ny fitantanana, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, izay nisolo tena ny tale Jeneralin’ny BNGRC.
Ninah (mpianatr’asa)




