Ny fanadiovana ny tsena no asa voalohany nataon’ny rehetra hirosoana amin’ny fanarenana vokatry ny afo. Niray hina ny rehetra nahitana ny sokajin’olona samihafa noho ny fitiavana ny tanànan’Antsirabe.
Nifanome tanana tamin’ ny asa tanamaro fanadiovana ny Tsena Sabotsy taoriana ny fahamaizana nitranga ny mpiasam-panjakana, sehatra tsy miankina, fikambanana samihafa, olon-tsotra maro, ny faran’ny herinandro teo.
Tompomarika tamin’ny fitarihana ny hetsika ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. Samy manana ny anjara andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay amin’ny fanarenana ny tsena ka isan’izany ny fanadiovana faobe. Etsy ankilany, manoloana ny voina niseho, manamafy ny ezaka amin’ny fanampiana ireo traboina ny fitondram-panjakana, tafiditra ao anatin’ireo andry telon’ny fampandrosoana rahateo ny fanatsarana ny lafiny maha olona.
Soa iombonana ho an’ny rehetra ny fananana ny Tsena Sabotsy ary vakoka mipetraka mampiavaka an’i Vakinankaratra ka tokony ho sarotiny amin’ny fanajana sy fiarovana izany. Ankoatra ny fandraisany anjara goavana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena, olona aman’arivony koa no mivelona ao aminy. Tao anatin’ny firaisankiana tanteraka no niarahan’ ny rehetra nanatanteraka ny fanadiovana faobe tao an-tsena no sady manamafy ny fitiavana ity tanàna.
Traboina 2000 nahazo tohana
Manoloana ny firehetana nahazo ny tsena, tonga tany an-toerana ireo iraky ny fitondram-panjakana mpikambana ao amin’ny governemantana nankahery sy nitondra tantsoroka vonjy rano vaky. Vary 31 taonina, voamaina 3t, siramamy, savony, paty, ronono, sira no nozaraina ka traboina manodidina ny 2 000 no efa nisitraka izany. Santatra ambavarano ihany ireo fanampiana ireo fa mbola maro ny tohana ho avy ary samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpivarotra.
Vonjy




