FIMIBEAMA: 16 taona nikarakarana zokiolona

16 taona ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-sosialy eto Madagasikara (Fimibeama). Miorina eny Alasora ary efa manana sampana manerana ny Nosy izy ireo. Ny fahatsapana fa betsaka ny tsy fahalavorariana mahazo ny zokiolona eo amintsika no nanosika ny mpanorina ny fikambanana hisafidy ny hikarakara azy ireny. 50 mahery ny mpikambana mpikarakara ny zokiolona eo amin’ny foibe. Misy koa ireo manampy ny zokiolona any an-tokatrano arakaraka ny filan’ny fianakaviana. Miovaova isam-bolana ny isan’ny fianakaviana manatitra zokiolona eny fa manodidina ny fito eo ho eo matetika amin’ny ankapobeny no raisina an-tanana. Misy ny mandalo fotoana fohy satria fanovozana hery no tena tanjona, hoy ny mpandrindra ao amin’ny fikambanana, Ralaivao Solofoniaina.
650 000 Ar hatramin’ny 1 tapitrisa Ar isam-bolana ny saran’ ny fikarakarana rehetra, ny fividianana fanafody kosa anjaran’ ny fianakaviana ny mividy azy raha misy filana manokana. Manana mpikarakara iray ny zokiolona iray ary miaraka aminy amin’ny fotoana rehetra.
Tsy maintsy mandalo fizahana fahasalamana mialoha ny zokiolona raisina an-tanana ary manana mpitsabo manara-maso ny foibe.

Vonjy

Partager sur: