Olan’ny famatsiana jiro sy rano : Nanao hetsika fitakiana ny mpianatra eny Ankatso II

Mafanafana indray ny toe-draharaha eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao anatin’ny onivesiten’Antana­na­rivo, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny zoma lasa teo no nanao hetsika ny mpi­anatra eny Ankatso II, izay vokatry ny fahatapahan’ny jiro sy ny famatsiana rano lava­reny ka manelingelina ny fizotry ny fiainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Miankina be­tsaka amin’ny jiro sy ny rano ny zavatra rehetra indrindra ny sakafo nefa tapaka matetika izy roa ireo. Nandrehitra kodiarana ireo mpianatra ny zoma lasa teo ka notondra­han’ny mpitandro filaminana vitsivitsy rano. Rehefa nivory ny mpianatra taorian’izay dia niverina nivoaka teny an-dalana indray nanohy ny fitakiana tamin’ny tora-bato, namaly tamin’ny lacrymogène ny mpitandro filaminana ary tsy ni­tsa­hatra izany raha tsy ny alina.
Nitohy ny sabotsy ny hetsika ary fiarabe roa feno mpitandro filaminana no tonga teny Ankatso II. Efa niantrana koa ny mpianatra izay efa nanamafy fa tsy hihemotra mihitsy satria lavareny ny fahatapahana. Nisy tomponandraikitra tonga niresaka tamin’ireo mpianatra fa tsy nilamina ny toe-draharaha. Miverina mandeha vetivety ny jiro ary misy ny famatsiana rano rehefa misy fitakiana tahaka izao fa tsy maharitra ka tsy hilefitra intsony izahay, hoy ny solontenan’ny mpianatra nanazava ny zava-misy.
Vahaolana maharitra no ilaina momba ny famatsiana jiro sy ny rano fa tsy vonjitavanandro fotsiny.

Vonjy

Partager sur: