TSELATRA

Mpivady mpivarotra rongony voasambotry ny zandary eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy, tao Ambodi­voan­jo, omaly maraina. Nasitrik’izy mivady tao anaty tany ny entana amidiny.
Fiara miisa telo tra-doza teny Ikianja, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nifandona tamin’ny fiara an’olon-tsotra ny taxi-be iray sy taksiborosy iray hafa.
Nodoran’ny jiolahy ny trano rehefa tsy nahita olona ho tafihana izy ireo, tao amin’ny fokontany Amboatavo, kaominina Ambatolahy, distrikan’Anta­nifotsy, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 9 ora.

Partager sur: