Fanandevozana maoderina, fanondranana olona antsokosoko…. Tena misy ary voafaritra ho heloka bevava izany. Mitaky fahatongavan-tsaina sy fahasahian’ireo izay iharan’izany na mahita ilay tranga.
Homarihina rahampitso, eny Ivato, ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny famarinana olombelona. « Ny famarinana olombelona dia heloka bevava, aoka hatsahatra ny fanararaotana ». Io ny lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana. Tranga miseho maneran-tany ary mitaky vahaolana hentitra satria tena efa loza mihatra ary misoko miadana eny amin’ny fiarahamonina ny famarinana olombelona. Vao tsy ela ny tranga mamohehitra, mpanararaotra ny fahalemen’ny zaza asaina manao horonantsary mamoafady. Miseholany koa ireo tanora ambakaina asaina manao horonantsary miboridana ary amidy lafo amin’ny vahiny izany avy eo. Heloka bevava izany ary mendriky ny fanasaziana mafy ho an’ireo mpanararaotra. Mila paikady fiarovana fatratra koa ny ankizy sy ny tanora izay marefo mora iharan’izany. Mampanjaka ny tsy rariny sy manitsakitsaka ny zon’olombelona ny famarinana olombelona. Ho antsika eto Madagasikara, miasa ny biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH) izay tohanan’ny amerikanina. Efa betsaka ny ezaka vita saingy mbola maro ny tokony hatao. Manohana tetikasa mitentina roa tapitrisa dolara ny Amerikanina. Miompana amin’ny fanamafisana fahaiza-manao miantefa amin’ny mpitandro filaminana, ny mpampanoa lalàna ary ny mpitsara mba hahafahan’izy ireo hanadihady sy hanenjika ary hanasazy ireo mahavanon-doza izany. Miseho amin’ny endrika maro ny famarinana olona, toy ny fanandevozana an-trano, izay mihatra amin’ny mpiasa an-trano tsy afaka miala amin’ny asany. Iharan’ny fanararaotana izy ireny ary zara raha mandray karama na tsy mandray mihitsy. Eto Madagasikara, maro amin’ireo mpiasa an-trano no zaza tsy ampy taona. Matetika izy ireo no tsy mandray karama, satria mivantana amin’ny fianakaviany ny valin-kasasarany. Famarinana olombelona, fanondranana olona antsokosoko, ny fanararaotana olona na koa ny fanandevozana maoderina dia hanambarana ireo heloka ataon’ireo mpanararaotra amin’ny olon-dehibe na zaza tsy ampy taona. Amin’ny alalan’ny fanerena azy ireo hiasa na hiroboka amin’ny fanararaotana ara-nofo sy ny fivarotan-tena izany.
Tatiana A




