Ho fanarenana ny tsenan’i Sabotsy – Antsirabe: Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ny Orange Madagascar

Taorian’ny fahamaizan’ny tsenan’i Sabotsy ny herinandro lasa teo, nanambara ny orinasa Orange Madagascar fa hanao hetsika sosialy hanohanana ireo mpivarotra traboina sy ny fianakaviana ary ha­nampy amin’ny fanarenana ny toeram-pivarotana. Hifa­rimbo­na amin’izany ny Oran­ge mo­ney Madagascar sy ny Oran­ge solidarité Madagas­car. Na­nome vola mitentina 50 tapitrisa Ar ny orinasa Orange Ma­da­gascar ary mikarakara tolo-tanana handraisana tohana amin’ny alalan’ny SMS. Hetsi­ka tafiditra ao anatin’ny firaisankina sy fanampiana amin’ny fanarenana ny tsenan’i Sabotsy, ary omaly hariva no nanatanterahana ny fanambarana izany tao Antsi­ra­be. Fo­toana koa nanomezana ny ta­ratasim-bola tao amin’ny foibe i-Votika manamarika ny fiaraha-miasan’ny orinasa sy ny fa­ritra Vakinankaratra.
Afaka mandefa hafatra fohy (SMS) amin’ny laharana 032 32 008 75 miaraka amin’
ny teny “tsena sabotsy” ny olon-drehetra ka rehefa mandefa hafatra iray izay misy sandany 1000 Ar dia manampy amin’ny hetsika fanarenana ny tsena. Hifarana ny 31 aogositra ity fandrasaina sms ity ka harotsaka manontolo amin’ny fanarenana ny tsena ny vola azo rehetra.
“Tsy tokony havela irery hi­zaka ny voina ireo mpivarotra ao amin’ny tsena fa mila firaisankina sy fanohanana ka izay no nahatonga ny orinasa Orange Madagascar manao izao hetsika sosialy izao”, hoy ny Filoha tale jeneraliny, Fabrice André. 3 500 ny isan’ ny mpivarotra mivelona amin’ io tsenan’i Sabotsy io.

Vonjy

Partager sur: