Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Novotel Alarobia ny andiany voalohany amin’ny « Rallye des Industries », izay natao ny sabotsy teo. Hitohy any amin’ny faritra ny hetsika.
Nandrombaka ny fandresena tamin’ny famaranana lehibe ny ekipa « ABS School – ArBiochem ». Etsy andaniny, ny « Inscae – Star » kosa no nahazo ny isa be indrindra tamin’ny filaharana ankapobeny, hatramin’ny fanombohan’ny fifaninanana, tamin’ny 21 jona. Maro ireo ekipa, mpianatra sy mpisehatra ara-indostria, nandray anjara tamin’ity hetsika vaovao ity, natao hampifandrindra ny tontolon’ny fianarana sy ny tontolon’ny asa. Tanjon’ny hetsika ny hampifandray ireo sehatra roa ireo, hanampy ny tanora hahalala ny zava-misy amin’ny asa, ary hanome fototra matanjaka. Nasongadin’ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara Sim, Rasamimanana Tiana fa «manan-danja amin’ny fanofanana ny tanora ny karazana hetsika toy izao. Ireo mpianatra anio no ho mpitarika rahampitso, mety ho minisitra na filoham-pirenena aza. Ny Sim dia maniry hanohana azy ireo mba ho lasa hoavin’ny firenena.» Niaiky ihany koa ny filohan’ny Sim fa nisy ny lesoka nandritra ny fikarakarana, saingy nanamafy izy fa « nahavita nanolotra famaranana mendrika izahay. Mitaky fahaiza-mitantana, paikady ary firaisankina ny tetikasa tahaka izao. Tsy misy fahagagana, ny asa ihany no miteraka vokatra. »
Vina
Mahakasa ny hanitatra ny fifaninanana any amin’ireo sekoly sy orinasa any amin’ny faritra hafa koa ny Sim. « Misy ny fangatahana, ary tianay hisitraka izany soa fanararaotra izany izy ireo», hoy hatrany ny fanazavana. Nampahatsiahiviny fa fanalahidin’ny fahombiazana ho an’ny tanora ny fahaizana, herim-po ary fahatokisana. Tsiahivina fa nanohana ny hetsika ny governemanta, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra. Teo koa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny Yas Madagascar izay manohana ny tanora sy ny fandraharahana eto amin’ny firenena.
Henintsoa




