Amboditandrohoroho : Trano 241 tafo indray narodana

Trano 241 tafo no indray narodana tao amin’ny fokon­tany Tapakala, kaominina amba­­nivohitr’ Amboditandro­horoho, distrikan’ i Toamasina II, omaly. Vokany, maro ireo  tsy manan-kialofana. Ankoa­tra izay, tokony tsy noradana ny moske, trano fivavahana ho an’ny mpino Silamo, fa narodana daholo. Nambaran’ ny fanadihadiana fa nahazoana fahazahoan-dalana teo anivon’ny kaominina ny fananganana ilay moske. Nohama­fisin’izy ireo fa tsy nisy ny fampilazana mialoha momba izao fandravana izao. « Tsy ma­nan-kialofana izahay”, hoy ny tarainan’ny fokonolona tsy maintsy handao ny toerany. Raha hiverenana, saika to­kantrano efa nosedrain’ny he­risetra na hetraketraka maro isan-karazany ireo fianakaviana lasa manorin-trano amin’ity toerana malalaka ao Tapakala ity. Ao ireo may trano sy fananana, ao ny voa­endaka toy izao tamin’ny tokotaniny efa nipetrahana teo aloha tao an-drenivohitr’i Toamasina. Anki­lany, tsiahivina fa efa nisy ny fanapahana navoakan’ny mi­nisitry ny Fitsinjaram-pahefana ny hampiatoana ny fanesorana sy fandravana trano tahaka izao.

Sajo

Partager sur: