TSELATRA

Fiara sprinter niharan’ny firehetana tampoka teny Ambohibary, kaominina Sabotsy Namehana, omaly maraina. Mpanatitra entana io fiara io ary tsy nisy olona tao anatiny. Nifamonjen’ny nanatri-maso novonoina ny afo.
Niharan’ny firehetana ny trano iray teny Ambatomitsangana, fokontany Androhibe, omaly maraina. Tonga ara-potoana ny mpamono afo ary tsy nisy aina nafoy. Heverina ho fifampikasohan’ny herinaratra no nitarika ny loza.
Naolan’ny tovolahy iray ary novonoiny ny vehivavy 49 taona tao amin’ny fokontany Ankenihenibe, kaominina Morafangady, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Naka raokandro teny an-tsaha ilay vehivay no nanamparan’io lehilahy io ny filan-dratsiny.
Lehilahy nahatrarana antsy lava sy finday halatra teny Ivato, ny 27 jolay teo. Avy nanendaka olona ka nosavain’ny zandary tampoka izy, raha ny fantatra.

Partager sur: