Bakalorea : Nisy diso ny laza adina, ratsy ny naoty ho an’ny taranja Fizika

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fanadinana bakalorea. Taorian’ny fivoriana nataon’ny Commission d’entente, niroso amin’ny asa ny mpitsara.

Nandritra ny andro voalohany, nisy ny fimenomenonana avy amin’ireo mpitsara ny taranja Histo-geo sy Malagasy satria tapaka ny herinaratra tao amin‘ny Conaco médecine ka jiro amin’ny finday no nampiasaina hitsilovana ny taratasim-panadinana. Nandray andraikitra ny mpikarakara ka nafindra toerana ny mpitsara ho an’ny andro faharoa. Raha ny tetiandro napetraka, hifarana ny zoma ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra. Ao anatin’ny fitsarana tanteraka izy ireo amin’izao.
Ho an’ny taranja Mala­gasy, tsara ny naoty azon’ny mpiadina amin’ny sokajy A, eo ho eo ihany kosa ho an’ny sokajy siantifika rehetra. Nilamina ny fizotry ny fitsarana ho an’ny taranja Fizika na teo aza ny tsy fifankahazoana teny am-piandohana. Nisy diso ny laza adina ho an’ny sokajy siantifika D, C ary S nefa tsy afaka nanome “bonus” intsony ny mpitsara satria efa nahazo kihana avy amin’ny tomponandraikitra. Ny taon-dasa, nisy diso tahaka izany koa ny laza adina amin’ny taranja Fizika ka nomena bonus ny mpiadina. Norarana tsy hanao izany intsony ny mpitsara ho an’ity bakalorea 2025 ity nefa tsy hadisoan’ny mpiadina velively ny laza adina diso.
Ratsy ny naoty ho an’ny sokajy A2 sy ny OSE raha ny taranja Fizika no zohina. Sarotra ny laza adina ho an’ny sokajy A, hoy ny mpitsara, izay mpampianatra ny taranja ihany. Eo ho eo ihany kosa ny vokatra ho an’ny sokajy siantifika. Mahatsapa ireo mpitsara fa mirona any amin’ny fanomezan-danja ny sokajy vaovao L, S ary OSE ny zava-misy ary vonoina tsikelikely ny sokajy mahazatra teo aloha C sy D. Ahitana taratra izany ny laza adina naroso tamin’ity bakalorea ity ho an’ny taranja Fizika.

Vonjy

Partager sur: