Notanterahina omaly, tao amin’ny sekoly Polytéchnique d’Antananarivo ao Vontovorona, ny fihaonambe iraisam-pirenena 2025 notarihin’ny Mesupres. Hetsika nasionaly mikendry ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversite eto Madagasikara manoloana ny olan’ny kalitao, ny haivao ary ny fanavaozana izy ity. Miompana amin’ny lohahevitra “Ny sampanan’ny fikarohana sy ny fanavaozana hoentina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara” ny fihaonambe. Nahitana lohahevitra 5.1. “Ny Faharanitan-tsaina sy ny fampianarana artifisialy: fanantenana sy fanamby ho an’ny fampianarana ambony ». Ny fizarana ho amin’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ary maha olom-pirenena tomponandraikitra sy etika ihany koa. Manokatra lalana mankany amin’ny sehatra manokana, mifampiraharaha ary mahomby kokoa, ny faharanitan-tsaina artifisialy. Mamaritra ny andraikitry ny mpampianatra sy ny fomba idiran’ny mpianatra amin’ny fahalalana ihany koa. Na izany aza, miteraka fanamby ireo fiovana ireo, indrindra eo amin’ny sehatra etika, fanabeazana ary sosialy. “Tsy tokony hampihatra fotsiny ireo fitaovana ireo ny fampianarana ambony eto Madagasikara fa hiantoka ireo fiantraikany ihany koa mba hanofanana ny olom-pirenena afaka miatrika ny olana”, hoy ny fanamarihan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Loulla Chaminah.
Ninah (mpianatr’asa)




