INDRAY MIJERY

Nisitraka herinaratra sy jiro ny CSB II Ambatofotsy (distrikan’Ikongo). Efa tonga soa amam-tsara any an-toerana ny kojakoja sy ny fitaovana (panneaux solaires, batterie…) hamokarana ny angovo ary efa any koa ireo teknisianina hanatanteraka ny fametrahana izany. Vinavinaina ho vita amin’ny volana aogositra ny asa. Herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro no hapetraka ho fanamafisana ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana ny vahoaka.
Nanao fitsidihana, nihaona sy nifampizara hevitra, tao amin’ny masoivoho japoney ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny fanombanana ny asa vita sy ny fanohizana ireo tetikasa iaraha-miasa ny dinika. Anisany ny fanamboarana ny LTP Toamasina sy ny fampiofanana ireo mpampiofana hikirakira ny fitaovana natolotry ny Jica (Japan International Cooperation Agency) ho an’ireo Lycée telo. Eo koa ny fanatsarana ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ahafahan’ny tanora mahazo fanofanana ara-kalitao hanampy azy ireo hiatrika ny tsenan’ny asa.
Hamelabelatra ny herisetra an-tsekoly miaraka amin’ny matihanina amin’ny psikolojian’ny ankizy eny amin’ny Ivokolo Analakely, ny sabotsy ho avy izao, ny Association psy-kozy Madagascar. Misy antony roa mety hahatonga ny herisetra an-tsekoly. Eo ny tsy fanekena ny fahasamihafana ( fomba fijery manokana, toe-tsaina sy kolontsaina, fialamboly… ). Manampy izany ny fahitana fa tsy afaka miaro tena ilay mpianatra (fahasembanana, toetra tia mandefitra, mora ambakaina… ). Hisy ny fizarana fepetra tsara raisin’ny vavolombelona amin’ny herisetra an-tsekoly.

Partager sur: