TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 5 Mahamasina, ny talata tamin’ny 7 ora hariva teo. Tra-tehaka teo am-pangalarana findain’olona iray teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara teny amin’ny Fasan’ny karana izy io. Nahatratra azy io ny polisy nanao fisafoana teny an-toerana. Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy.

Partager sur: