Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny famarinana olona. Zava-dehibe ny fanamarihana ho an’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana satria fotoana hanentanana sy hametrahana ny fahavononana ho an’ny ady izany.
Maro ny asa efa sahanin’ny fanjakana, toy ny fisian’ny Birao nasionaly mandrindra ny asa rehetra. Eo koa ny Kaomity iraisan’ny minisitera voakasika: polisy, raharaham-bahiny sy ny mininisiteran’ny asa. Maro ny fifandraisana ataon’ireo minisitera ireo fa andraikitra goavana ny fanentanana ny olona tsy hanaiky handeha any ivelan’i Madagasikara tsy hanana vaovao marim-pototra momba ny asa hovantanina sy ny fepetra rehetra. Ampirisihina hatrany ireo olona hanatona ny biraom-panjakana hanadihady sy haka hevitra mialoha ny handehanana any ivelany. “Hatramin’izao, tsy mahazo miasa ny Agence de placement rehetra ary tsy manara-dalàna raha misy orinasa mitonona fa mandefa olona hiasa any ivelany”, hoy ny minisitry ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Ny mpampiasa any ivelany kosa afaka mandray mpiasa mivantana avy aty Madagasikara, raha ny fanamarihany.
Zava-misy ao anatin’ny fiarahamonina ny famarinana olona. 191 ny tranga hita ny taona 2024. Miasa ny fitsarana manohitra ny famarinana olona, indrindra miasa tsy ho tonga amin’ny fandikan-dalàna amin’izany. Eny anivon’ny fokontany no manomboka ny asa, satria eny no miandoha io asa ratsy io. Manentana ny sefo fokontany ny tomponandraikitra. Nisy ny fanaovan-tsonia niarahana tamin’ny ONG avy any Maorisy miisa roa : Dis- moi sy Passerelle, izay efa manana traikefa satria manana toerana fandraisan’olona niharan’ny famarinana olombelona ary Malagasy ny ankamaroany raisina an-tanana ao. Ilaintsika ny traikefa hananan’izy ireo satria misy sehatra mitovy amin’izay eto Madagasikara fa mbola marefo ny fiasany. “Homanina dieny izao ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Tanjona ny famerenana ireo olona ireo aty an-tanindrazana. Eo koa ny firosoana tsy hahatongavana amin’ny famarinana olona”, hoy ny sekretera mpanatanteraka ao amin’ny BNL TEH, Ramahandrisoa Eric.
Vonjy




