Tetikasa Salama : Hamaha ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tontosa ny herinandro lasa teo, teny Mandriambero, ny atrikasa fampahafantarana sy fanombohana ofisialy ny tetikasa “Sécurité alimentaire pour les enfants par l’appui à l’agriculture à Madagascar” (Salama). Iarahana amin’ny fikambanana “Un Enfant par la main” (UEPLM) sy ny mpiara-miombon’antoka “Amadea” ary ny “AEA” izany. Vatsian’ny Vondrona frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) vola.
Haharitra telo taona, nanomboka ny volana desambra 2024, ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Mikendry ny famahana ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza sy Fihaonana, ao anatin’ny Cisco Ambohidratrimo sy Ankazobe, Dren Analamanga, ny tetikasa.
Tanjon’ity atrikasa fanombohana ity ny hampahafantatra amin’ny antsipiriany ny tetikasa manontolo. Hanentanana koa ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy hananganana fiaraha-miasa matanjaka sy mirindra hahatomombana ny fanatanterahana izany.
Ankoatra izay, nokendrena tamin’izany koa ny hiantohana ny fahatakarana iraisana momba ny tanjona, ny andraikitry ny tsirairay ary ny fomba fiaraha-miasa sy fitantanana.
Ny tale misahana ny Fampianarana malala-drafitra (Denf) eo anivon’ny minisitera foibe no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa.

Vonjy

Partager sur: