Hetsika ara-pahasalamana: Mifarimbona ny Tafika sy ny kaominina Ivato

Miaramila manakaiky va­hoaka, mitsinjo ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony. Io ny nasehon’ny fiaraha-miasan’ny kaominina Ivato, tarihan’ny ben’ny Tanàna Randriana­risoa Penjy, sy ny tafika Mala­ga­sy, amin’ny alalan’ny Servi­ce régional du santé militaire Analamanga sy ny Zone de défense et sécurité Ikopa izay natao teny amin’ny Tranovy Mamory, omaly. Olona miisa 125 nanala nify ary zazalahikely 27 natao famorana faobe. Hetsika maimaimpoana izay nisokatra ho an’ny mponin’Iva­to sy ireo kaominina manodidina. Dokotera miaramila no nandray an-tanàna ny fikarakarana rehetra. Nilaza ny tomponandraikitra fa mbola hitohy ny hetsika ara-pahasalamana isan-karazany toy ny fitiliana cholestérol… Mbola hisy hetsika fanalana nify faobe, izay mbola andrandrain’ny maro ihany koa mialoha ny faran’ny taona. Nilaza Rakotonirina Lala Henri, kaomandin’ny vondron-kery manokana ny zandarimariam-pirenena eo Ivato, fa “efa mifanohana hatrany ny kaominina Ivato sy ny zandarimariam-pirenena amin’ny lafiny maro, na amin’ny fandriampahalemana izany na amin’ ny sosialy. Fampandrosoana eny ifotony no imasoan’ny roa tonta”.
Maro ny olona mitady tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana toy izao. Misoka­tra amin’ny fiaraha-miasa ho amin’izany ny kaominina.

Tatiana A

Partager sur: