Maro ireo taranja nampianarina nandritra ny fiofanana maimaimpoana « Fijery hafa » ho fanohanana ny tanora ao amin’ny faritra Sava. Anisan’izany ny fandrahoana sakafo, ny fanamboarana mofo, ny fanamboarana fiara sy trano, ary ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina.
Nanomboka ny andiany faha-8 amin’ny Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostrian’ny Sadc. Natao hanohanana ny fandaharanasa momba ny indostria sy ny angovo izy ity. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Nihena hatramin’ny 50% ny tahan’ny tazomoka ao amin’ny distrikan’Ikongo, nanomboka ny voalohan’ny volana jolay teo. Hotohizana ary hohamafisina hatrany ny paikady ho fisorohana sy fitsaboana hifandrimbonan’ny rehetra, indrindra ny fandraisan’andraikitra eny ifotony.




