Mpitondra moto maty tsy tra-drano teny Mamory Ivato, ny alin’ny alarobia 30 jolay teo, tamin’ny 10 ora alina. Nandeha mafy, nifatratra tampoka tamin’ny sisin-dalana ny moto. Nipitika ilay mpitondra moto ka namoy ny ainy.
Vehivavy hita faty tsy nisy voamaso sy atidoha intsony teny amin’ny fokontany Ankatsaky, kaominina Ambahikily, distrikan’i Morombe, afakomaly. Lasan’ireo tsy valahara koa ny zanak’io vehivavy io izay vao herintaona monja.
Voasambotry ny zandary tao Manerinerina ny teratany indianina mpitsoaka volan’ny hotely, afakomaly. Hotely miisa roa saika nanaovany io fomba ratsy io saingy tratra izy ka nentina ao Ambatoroka.
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy mpivarotra entana halatra voasambotra teny Isotry. Nahatrarana kodiarana bisikileta miisa roa halatra teny aminy. Karohina ny namany.




