Nihaona tamin’ny mpitarika ny hetsika Nifin’akanga ny solombavambahoaka 11 mahakasika ny tolo-dalàna momba ny fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana.
Maniry ny kaomity, ahitana mpisehatra maro, ny handinihan’ny andrimpanjakana mpanao lalàna io tolo-dalàna io manaraka ny lalàna 317 ao anatin’ny lalàna famaizana.
Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana manoloana ny Firenena mikambana fa tsy mbola eken’i Madagasikara ny volavolan-dalàna momba ny fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana napetraka, roa taona lasa izay, noho ny antony ara-pinoana sy ara-kolontsaina. Ny zava-misy anefa, isan’andro, misy vehivavy maty noho ny tsy fisitrahana fitsaboana mifandraika amin’izay, ireo mpitsabo manao ny asany manavotra aina koa dia tsy voaaron’ny lalàna misy ankehitriny. Vokatr’ izay, nisy ny fivoriana omaly, teny Antaninarenina, mamondrona ny hery rehetra hamerina indray ny fandinihana io volavolan-dalàna momba ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana io miaraka amin’ny hetsika Nifin’akanga, hoy ny mpandrindra ankapobeny sy mpanorina ny hetsika Nifin’akanga, Raveloarimisa Mbolatiana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Rakemba tohanan’ny Amplify Change ny fivoriana natao omaly.
Vahaolana io volavolan-dalàna io…
Efa misy ny kaomity handinika ny fandrosoan’io volavolan-dalàna io, hijery ny fanatsarana ny lalàna napetraky ny fanjakana momba ny fanolanana sy ny fanolanana ataon’ olom-pady koa izy ireo. Nentina tany amin’ny faritra io lalàna io nandraisana ny soso-kevitra hanatsarana azy. Ny firaisamonina sivily sy ny hery rehetra dia mahatsapa fa tokony ho efa handroso i Madagasikara satria maro ny vehivavy mijaly ka vahaolana io volavolan-dalàna io.
Mpikambana ao anatin’ny kaomity ny mpisehatra, mpikaroka eny amin’ny oniversite, mpitsabo, firaisamonina sivily, mpanao gazety, tanora, “influenceur”, mpitondra fivavahana sy ireo olobe ara-drazana. Hisy rahateo ny fivoriana eto Madagasikara, amin’ny taona 2026, handraisan’ny mpitondra fivavahana manerana an’i Afrika anjara momba ny lohahevitra: “Finoana sy ny fananana safidy eo amin’ny fampitsaharana vohoka”.
Vonjy




