Arina fandrehitra: Nanaitra ny maro ny fiakaran’ny vidin’ny iray gony

Niakatra ho 40 000 Ar ny vidin’ny saribao iray gony eto Antananarivo, tamin’iny volana jolay iny. Nilaza ireo mpiva­rotra izay mpanafatra saribao avy any Moramanga fa teo amin’ny 35 000Ar teo foana no fangalan’izy ireo ny iray gony teo aloha saingy tafakatra ho 40 000 Ar izany amin’ izao fotoana izao. Marihina anefa fa tsy mbola niova ha­treto ny vidiny amin’ny atsin­jarany izay manomboka amin’ ny 500 Ar. Olana voalohany mahatonga izany fiakarana izany ny fiovan’ny toetr’andro izay mananosarotra ny fambolena ny hazo ka mitarika ny fihenan’ny famokarana saribao. Ny fitomboan’ny tsy faham­pian’ny hazo dia mampitombo ny vidin’ny famokarana ho an’ ny mpamokatra saribao, izay avy eo mampita izany amin’ny vidin’ny varotra. Eo ihany koa ny haratsian’ny làlana izay miteraka ny fahasarotana
amin’ny fitaterana ka miantraika any amin’ny famatsiana. Ny olana amin’ny fitaterana dia mety hiteraka tsy fahampian’ny saribao eny amin’ny foibe fanapariahana ka mahatonga azy ireo mampiakatra ny vidiny. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny mpanjifa isan-tokantrano anefa izany fiakaram-bidy izany. Eo ny fisondrotan’ny vidim-piainana sy ny fiovan’ny fomba fanji­fana izay miseho amin’ny fihenan’ny fanjifana, ny fividia­nana antsinjarany matetika, ary ny fitadiavana loharanon’ angovo hafa noho ny saribao.

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: