INDRAY MIJERY

Misy Malagasy efatra tratran’ny famarinan’ olona any Cameroun amin’izao fotoana izao. Efa miresaka ny tomponandraikitry ny fanjakana roa tonta momba io raharaha io, hoy ny solontenan’ny OIM eto Madagascar sy Comores. Malalaka ny fivezivezena fa mila mirindra sy fiomananana ny fandehanana mba tsy ho tratran’ny famarinan’olona. Famonjana 10 taona hatramin’ny asa an-terivozona ny sazy mihatra amin’ny mpamarina olona fa mbola hisy fanintsiana ny lalàna ka ho mafy kokoa ny sazy.

Hahery ny ranomasina any amin’ny moron­tsiraka afovoany sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Tom­banana ho 3,5m ny haavon’ny onja. Hiverina hahazo vahana ihany koa ny tsioka atsimo any amin’ny moron­tsiraka atsimo sy afovoany andrefan’ny Nosy, ny faran’ ny herinandro, hitondra alondrano vaventy amin’iny morontsiraka iny ka mety hahatratra 4m ny haavon’ny onja. Nanomboka omaly hatramin’ny anio, ny eo anelanelan’i Mahanoro sy ny tanjona Bobaomby. Ho an’ny rahampitso, ny eo anelanelan’i Maintirano sy Tao­lagnaro.

Ny mpivady eo anelanelan’ny 35-45 taona no maro miroso amin’ny fampitsaharana vohoka eto amintsika, araka ny fanadihadiana natao. Ny fandi­diana ny vehivavy manao zaza an-tsosokoditra dia efa fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana hamonjena ny an’ilay vehivavy. Ny 5% amin’ny vohoka dia miampiseho tranga an-tsosokoditra avokoa.

Partager sur: