Vahaolana antonon’ezaka amin’ny fisorohana ny tsy fahampiana singa mpamelona ny fanovonantsoa ny sakafo. Ny fihinanana sakafo miovaova sy maro loko nefa no tena vahaolana maharitra sy mahomby. Mifameno ny asan’ireo singa ireo.
Fanovonantsoa sakafo dia fomba iray isorohana ny tsy fahampiana singa mpamelona amin’ny vatan’ny olona ka ny sakafo tena fihinan’ny olon-drehetra (ankizy sy olon-dehibe amin’ny salan-taona rehetra) no ampiana izany singa izany. Ohatra ny sira ampiana ioda sy fluor, tovonana vitamina A ny menaka fihinana.
Betsaka ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanovonantsoa ny sakafo ary efa misy ny Alliance nationale pour la fortification alimentaire. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny faritra 23 namantarana ny sakafo fihinan’ny Malagasy ankoatra ny vary. Nisongadina ny menaka, siramamy ary ny kobam-bary. Mitana ny laharana faharoa ny menaka aorian’ny sira ka nifanaraka ny mpiray ombon’antoka fa ny ONG Helen Keller no hanao fanovonantsoa ny menaka, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny tetikasa fanovonantsoa sakafo ao
amin’ny ONG, Rasolonirina Britney.
Taorian’ny fanadihadiana nasionaly momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona ENCM 2024 ary navoaka tamin’ity taona ity, nisongadina fa ny 70% ny tokantrano malagasy no manisy “bouillon cube” ny sakafony. Samy manjifa azy avokoa ny mponina, an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Vokatr’izay, misy ny tetikasa hanovonantsoa singa mpamelona ny “bouillon” hanitsy ny tsy fahampiana amin’ny vatan’ny olona. Vy, vitamina A, vitamina B9, B12 ary zinc no hanovonantsoa azy. Hanampy ny mpamokatra “bouillon” koa ny Helen Keller fa esorina ny “glutamate” izay tsy tsara ho an’ny fahasalaman’ny taovan’ny olombelona. Hahena koa ny sira ao anatiny satria fantatra fa ny 40%
amin’izy io dia sira avokoa.
Mbola andrana avokoa ny fanovonantsoa ny menaka sy ny “bouillon” amin’izao fotoana izao. Manohana ny sehatra tsy miankina mpamokatra ireo akora ireo ny ONG mampahafantatra ny fanovonantsoa amin’ny sira mineraly sy singa mpamelona. Manampy koa amin’ny fanafarana ny singa mpamelona any ivelany sy ny famokarana avy eo. Ny faran’ny taona no vinavinaina ho hita ny vokatra roa notovonantsoa.
12% ny taha ankapobeny amin’ny tsy fahampiana vitamine A
Nivoaka avy amin’ny fanadihadiana ENCM 2024 fa 12% ny tahan’ny tsy fahampiana vitamina A ho an’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 59 volana, ka eto amin’ny faritra Analamanga sy Alaotra Mangoro no tena misy tsy fahampiana lalina mihoatra ny 20%, araka ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Ho an’ny ankizy 10 ka hatramin’ny 19 taona, 2% ny taha ankapobeny amin’ny tsy fahampiana vitamina A ary mitovy amin’izay koa ho an’ny vehivavy afaka miteraka15-49 taona izay voasokajy ho antonony.
Tsoa-kevitra avy amin’ny fanadihadiana, misy ny tokantrano manan-janaka 6 -59 volana tsy tratra rehefa misy ny fizarana vitamina A satria eny amin’ny CSB no hanatanterahana izany fa tsy any an-tokantrano. Tsy manana fahazarana manome sakafo miovaova sy maroloko ny zanany ny fianakaviana.
Manana andraikitra lehibe amin’ny fahasalaman’ny taova maro ny vitamina A, indrindra ny maso. Anisan’ny sakafo mitondra vitamina A ny vomanga mavo aty, karaoty, taovan-kena…

Nampitana fahalalana ny mpanao gazety
Ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, nanomboka nampita fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny Gret sy Agence française de développement (AFD). Nitohy niaraka amin’ny Helen Keller indray ny hetsika ka nanofana mpampahalala vaovao momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary niresahana manokana ny fanovonantsoa sakafo indray tamin’ity herinandro ity, teto Antananarivo. Maro ny fiantraikan’ny tsy fahampian’ny singa mpamelona eo amin’ny ankizy sy ny zaza amam-behivavy izay sokajiana ho marefo. “Miteraka olana amin’ny fitomboana, fiasan’ny taova maro, fiatrehana fiterahana ary tsy fahampiana ra ny tsy fahampian’ny singa mpamelona”, hoy ny mpiandraikitra ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana ao amin’ny Gret, Rasoamiadana Fanjaniaina.
Zava-dehibe, noho izany, ny fihinanana sakafo miovaova sy maro loko satria ahafahana miady amin’ny tsy fahampiana singa mpamelona. Efa manao hetsika maro mampita fahalalana momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) amin’ny fampianarana ny sakafo ara-pahasalamana eny anivon’ny toby fanjarian-tsakafo. Ny tsy fahampiana vy dia misy fiantraikany amin’ny fitomboan’ny zaza ara-dalàna sy ny fifantohana any an-dakilasy. Rehefa tsy ampy ioda koa ny zaza dia tsy mivelatra ara-tsaina. Ho an’ny vehivavy kosa, mety tsy tomombana ny fitondrana vohoka raha tsy ampy io singa mpamelona io izy.
Nanatontosa : Vonjy A.




