Napetraky ny filoham-pirenena ho ivon’ny fanavaozana nasionaly ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana, manomboka amin’ny fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony.
Ho fanatanterahana izany, nikarakara hetsika «Mois des universités en dialogue» ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tarihin’ny minisitra, Pr Chaminah Loulla. Nandritra ny iray volana no nanatontosana fihaonambe iraisam-pirenena manodidina ny lohahevitra “Ny fihaonan’ny fikarohana sy ny fanavaozana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara” ireo oniversite manerana ny Nosy.
Tao Fianarantsoa, nodinihina manokana ny Fampianarana ambony sy faharanitan-tsaina artifisialy mankany amin’ny fampianarana vaovao sy tsara kalitao. Ho an’ny oniversiten’Itasy, manodidina ny lohahevitra ny Siansa sy ny teknolojika ho an’ny hoavin’i Madagasikara no nifampizarana. Ny fanovana nomerika, olana, fanamby ary fahafahana ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony malagasy no nodinihina tany Antsiranana. Anjerimanontolo sy ny tsenan’ny asa: ny fomba hampifanaraka tsara ny fiofanana amin’ny filan’ny fiarahamonina sy ara-toekarena eto Madagasikara kosa no nifantohan’ny fivoriana tany Toamasina. Lohahevitra mankany amin’ny Anjerimanontolo manavao: fampidirana ireo teknolojia vao misondrotra amin’ny fampianarana ambony no tao amin’ny ESPA Vontovorona. Nifantoka tamin’ny Fanavaozana fanabeazana sy fianarana mavitrika: fandinihana ny fomba fampianarana eny amin’ny oniversite ny lohahevitra tany Mahajanga. Ho an’i Toliara, noresahina ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny fitantanana ny oniversite. Ny fampiroboroboana iraisam-pirenena ny fikarohana hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony kosa no nosafidiana ho an’Antananarivo.
Tanjona ny hanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ireo mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpandraharaha, sehatra tsy miankina ary mpiara-miombon’antoka. Nanatrika ny famintinana natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Vonjy




