“CFME 2025”: Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao Andavamamba, ny hetsika «Fihaonana amin’ny fampiofanana, ny asa sy ny fampiasana – CFME 2025», andiany faha-9, izay nokarakarain’ny Alliance française de Madagascar. Ny CFME izay mikendry ny hanampy ireo tanora vao nahavita ny bakalorea, ireo nahazo diplaoma ary ireo olona mitady fianarana sy asa amin’ny alalan’ny fanomezana torolalana sy fidirana amin’ny fanofanana arakasa. Manamora ihany koa ny fidirana amin’ny fahaiza-manao ilaina amin’ny asa sy ny fandraharahana. Noraisina ny teny filamatra: «Dingana mankany amin’ny asa sahaza ho anao» tamin’ity andiany faha-9 ity. Io no hanasongadinana ny fanavaozana, ny fisokafana ary ny fahafahana. Nandray anjara tamin’izany ireo sekoly maherin’ny 40 sy ireo orinasa malaza toy ny Campus France sy ny CGM. Notanterahina ny fanadihadiana sy ny fanangonana CV, ny fitsapana teny frantsay maimaimpoana, ny tolotra fianaran’asa ary ny fihaonana amin’ny manam-pahaizana samihafa. Nisy ihany koa ny fifaninana «Ny tetikasako vaovao» izay manentana ny fahaiza-mamorona sy ny fandraharahana eo amin’ny tanora.

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: