« Salon de la recherche », andiany fahafito: Itondrana vahaolana maharitra ho an’ny firenena

Hotanterahina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 7 sy 8 aogositra izao, ny «Sa­lon de la recherche au service de l’économie et de l’emploi» (SREE). Andiany fahafito ny hetsika, nampitondraina ny lohahevitra : “Ensemble pour la recherche au service de développement durable”. “Tanjona ny hampitana ny asa fikarohana mba hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Oni­versiten’Antananarivo, Profe­sora Rivoarison Randriana­solo, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika teny Ankatso, omaly. Itondrana vahaolana mivaingana sy azo tsapain-tanana mahakasika ireo voka-pikarohana ihany koa. Hampiavaka ny hetsika ny fampisehoana ny asa fikarohana manaraka ny toetrandro. “Efa mankany amin’ny tontolon’ny niomerika isika ary misy ny fenitra iraisam-pirenena takina ary ezahina haseho izany amin’ity taona ity”, hoy ihany izy. Natao laharam-pahamehana ny famolavolana toerana natokana ho an’ny orinasa sy ny Hackathon isan-taranja. Omena sehatra manokana mandritra ny hetsika ihany koa ny mpikaroka, ireo tanora manomana ny diplaoma Master sy Doctorat. Manodidina ny 70 ireo mpandray anjara. Misy ireo maneho ny voka-pikarohana fototra amin’ny endrika afisy ary azo hampiharina avy hatrany. Misy ny fifaninana tetikasa izay ho tsaraina. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa, ahafahana manatanteraka ny hetsika. Anisan’izany, ny Ares, ny orange, ny Hunan Hybrid Rice Research Center sy ny maro hafa.

Mino

Partager sur: