Tsikaritry ny mpaka kitay: fasana iray vaky, taolan-paty 24 tsy hita

Norobain’ny olon-dratsy ny taolam-paty tao amina fa­sana iray anatin’ny tanànan’i Vohidava, anatin’ny fokontanin’i Fenoarivo, kaominina Ambatomainty, distri­kan’Ika­lamavony ny sabotsy 21 janoary teo. Mpaka kitay sendra nandalo no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Nata­hotra, niantso ny manodidina sy ny lehiben’ny fokontany izy. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobi-paritra Ambatomainty ity farany. Nidina nijery ny zava-nisy ireo tomponandraikitry ny fandriam-pahalemana ao an-toerana niaraka tamin’ny tompon’ny fasana lasibatra. Rehefa natao ny fizahana, novakian’ireo jiolahy efa fotoana naharitra io fasana io. “Efa naniry bozaka ny toerana nikisahan’ilay vato hidiny”, araka ny fanamafisan’ny zandary. Nokorontanin’ireo olon-dratsy ny tao anatin’io fasana io ary taolan-dava miisa 24 tsy hita. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: