Faritra Matsiatra Ambony: Nahazo birao vaovao ny kaominina Andranovorivato

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny birao vaovaon’ny kaominina ao Andranovorivato, distrikan’i Matsiatra Ambony. Misokatra ho an’ireo mponina manodidina ny 39 000 isa ao an-toerana ny fotodrafitrasa izay fampanantenana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika.
Nanolotra fanaka ho an’ny fotodrafitrasa vaovao ny minisitry ny Mponina hahafahana miasa avy hatrany. Tetsy ankilany, tokantrano marefo miisa 500 avy ao amin’ny kaominina Andranovorivato sy Lamosina ary Vohimarina no nisitraka tantsoroka ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fehezan-karona misy sakafo sy lamba mafana firakotra.
Nankasitraka ny fahazoana izao fotodrafitrasa vaovao izao ny mponina ka naneho izany tamin’ny fifampitondrana sy fomban-tany Fitatazana tatim-bary sy ny Sokela niarahana tamin’ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Nanatitra ny fikojakojana ny fananana iombonana toy izao ireo olon-dehibe tonga tany an-toerana nanao ny fitokanana. Sady endriky ny tanàna no voninahitry ny mponina ny fananana biraon’ny kaominina tsara ary ho fitaratra ho an’ireo kaominina manodidina.

Tatiana A

Partager sur: