Tafika Malagasy : Mifampizara traikefa amin’ny Amerikanina

Naharitra herinandro ny fiarahan’ny miaramila mpiasan’ny fahasalamana, Malaga­sy, nifanakalo traikefa tamin’ny U.S Africa Command (Afri­com). Nifantohan’ny atrikasa ny momba ny areti-mifindra sy ny fahasalamam-bahoaka.
Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana, ny fomba fifehezana ny areti-mifindra, ny fanaovana fitiliana ao anatin’ny fotoana fohy ary ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra raha misy valanaretina miseho ihany koa ny roa tonta.
Fanamafisana fahaiza-manao, indrindra rehefa mian­tsehatra amin’ny fitsaboana sy hisian’ny firindran’ny asa any anaty toeram-pitsaboana, no natao. Tafiditra tao ihany koa ny fifehezana ny fihetsika sy ny fiarovan-tena ary ny vonjy aina tokony hatao rehefa misy valanaretina.
Tsy vao izao fa efa nisy ny fifampizarana traikefa teo amin’ny Africom sy ny mpitsabo eto Madagasikara mahakasika ireo fomba fitsaboana sy ny teknolojia ampiasaina any anaty ady tamin’ireo miara­mila avy amin’ny Tafika Mala­gasy sy ny Zandarimaria.
Fotoana nanamafisana ny fifandraisan’ny miaramila, Malagasy sy Amerikanina, ihany koa ny fotoana toy izao, ankoatra ny fianarana sy ny famerenana ireo fihetsika ilaina amin’ny fitsaboana izay mety hanampy amin’ny fanavotana aina rehefa eny an-kianja.
Hanampy betsaka amin’ny fandraisana an-tànana ara-pahasalamana sy hanatsara ny fahaiza-miatrika valanaretina amin’ny fomba haingana sady mahomby manerana an’i Afrika izany.

Tatiana A

Partager sur: