Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo: “Omena fahefana hampiasa vola ny eny ifotony”

Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tany Atsimo Atsinanana sy Vatovavy, ny herinandro teo ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fanalahidy ho an’ny fanovana izany, araka ny nambarany.

Nanteriny fa miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pa­hefana tena izy. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina ihany koa ny fanomezana fahefana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tokony. “Tokony homena fahefana hampiasa ny volam-panjakana ihany koa ireo tomponandraikitra isan-tokony. Anisan’ny foto-kevitra ijoroan’ny MMM amin’ny alalan’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy izany”, hoy izy nitafa mivantana tamin’ireo va­hoaka sy ny mpikamban’ny antoko amin’ireo faritra ireo. Notsindriny fa foto-pisainana sy fomba fiasa, ampandraisana anjara ny mpisehatra rehetra eny ifotony ny fitsinjaram-pahe­fana ho entin’ny MMM.

Tantely afa-drakotra ny volam-panjakana

Tsy afaka iandrasana sy antenaina amin’olon-tokana ny fandrosoana fa fiaraha-mientana sy fandraisan’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy, araka ny nambarany.
Notsiahiviny fa nanjakan’olom-bitsy ny tombon­tsoa azo avy amin’ny volam-panjakana raha tokony ho­sitrahan’ ny vahoaka izany. Nanjaka ihany koa ireo ka­razana kolikoly maro samihafa nambotry ny firenena. “Mila politika sahisahy sy hentitra ny fitantanana ny firenena indrindra fa amin’ ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny ifotony”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa zava-dehibe ny fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana. Fototra iray lehibe tsy nampandroso ny fire­nena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka, ka tokony ho hentitra ny fitantanan-draharaham-panjakana ary mazava ny fitsipika mifehy ny fi­tantanana ny volam-panjakana eo anivon’ny sampandraharaha isan-tokony.

Governora, tsy voafidim-bahoaka

Nambarany anefa fa ilaina hajaina ny lalàna mba hipetrahan’ny fitsinjaram-pahefana.
Ankoatra izany, nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM ho anisan’ny vato misakana ny fampandrosoana matetika ireo olom-boatendry isan-tokony toy ny governoram-paritra. Ani­san’ireo tsy voafidim-ba­hoaka ka tsy mahalala ny tena filàna eny ifotony izy ireo.
Etsy andaniny, mila mi­tondra vahaolana mifandraika amin’ny olana misy ny mpitondra mba hisian’ ny fampandrosoana. Ilaina ny fanomezana fahefana ireo tomponandraikitra isan-tokony ahafahan’ny tsirairay manatanteraka ny asa tandrify azy. “Tsy vitan’olon-tokana na antoko iray ny fampandrosoana ny firenena fa mitaky fifanomezan-tanana avy amin’ny isambatanolona”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: