Tatitry ny Ceni: 65% ny mpifidy voasoratra anarana

“Ny antontanisa farany azo avy any amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika: ny mpifidy voasoratra anarana hatramin’izao 8 894 578 na 65,91%”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­ma­rotafika Soava, teny Alarobia, omaly.
Amin’izao herinandro farany izao, manao ezaka manokana amin’ny fampiakarana ny vokatry ny fanisana mpifidy avy eny amin’ ny rantsa-mangaikan’ny kaominina mankeny amin’ ny distrika ny Ceni. Eny amin’ny rantsamangaikan’ ny distrika no iandraketana izany ao anatin’ny ordinatera hamoahana ny lisitry ny mpifidy.
Olana amin’ny fampiakarana vokatry ny fanisana mpifidy ny fahalavirana sy ny faharatsian’ny lalana. Mety mavesabesatra ihany ny karne fanisana mpifidy avy amin’ny fokontany re­hetra eo anivon’ny kaominina iray. Misy faritra anakaramana olona ary atao an-doloha ny fitondrana izany toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatofinandrahana, ohatra, araka ny fanazavany.

R. Nd.

Partager sur: