INDRAY MIJERY

Mitohy ny ezaka ho fisorohana ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo izay ataon’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitetezana ireo fokontany ho fametrahana ireo rafitra eny ifotony hisorohana ny areti-mifindra sy ny tazomoka ary ny tsy fanjarian-tsakafo.

Fotoan’ny didim-poitra sy famadihan-drazana izao. Maro ireo manao fety mampiasa zava-maneno mafy any anaty fiarahamonina. Mila ho isan’andro izany amin’ny tanàna sasany. Velon-taraina ny mpiara-
monina satria maharitra loatra ny tabataba amin’ny alina aterak’izy ireny, eo koa ny tsy fandriampahalemana. Mila maka alalana any amin’ny fokontany rehefa hanao fety.

Ny faran’ny herinandro teo, nanao fivoriana ny Holafitry ny rasazy ao Fianarantsoa. Novoriana ireo rasazy efa misotro ronono, ireo mpiasam-panjakana sy ireo miasa amin’ny hopitaly tsy miankina ary indrindra ireo miasa an-tsitrapo ao an-toerana. Nampahafan­tarina tamin’izany fa tsy maintsy hatao ny fidirana anatin’ny holafitra hampanan-kery ny asa atao.

Partager sur: