Diamar any Eoropa : Miantso ny filoha Rajoelina Andry hanilika ireo tsy madio fo

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Diaspora manohana ny filoha Andry Rajoelina (Diamar) any Eoropa, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena.

“Mampirisika ny filoha Rajoelina Andry ho hentitra ary handray fepetra hanilika ireo tsy madio fo sy tsy vonon-kiasa ho an’ny tombontsoan’ny Ma­la­gasy manoloana ny vina napetraka”, hoy izy ireo. Nan­kahery ny filoham-pirenena sy ny mpiara-miasa atokisany manoloana ny fanakoronta­nana tsy mitondra mankaiza entin’ireo mpanohitra feno fankahalana koa ireto eo anivon’ ny Diamar Eoropa ireto.
Mampirisika ny Malagasy ho tony, handalina sy tsy ho­entim-po diso tafahoatra ma­noloana ny fitobaky ny vaovao ka higoaka sy hino be fahatany ny lainga, ny tsaho sy fanasoketana fanahy iniana haely hampikorontanana ny saim-bahoaka izy ireo. Nohamafi­sin’ireto avy amin’ny Diamar Eoropa ireto fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary manan-kasina ny Andrimpanjakana mijoro sy ny ratsamangaikany ka tokony hajaina.
Momba ny raharaha Ambo­himalaza, mankasitraka ny finiavan’ny filoha Rajoelina nitondra fanazavana mano­kana momba izany. “Heverina fa ampy entina hanaporofoana ny fikasan’ireo te hamorika olona nandritra iny raharaha teny Ambohimalaza iny ny fanadihadiana ara-pitsarana nankinina tamin’ny fahefana mahefa sy ny valin’ny fitiliana natao teny anivon’ny laboratoara isan-karazany”, hoy izy ireo.

Manameloka ireo antokon’ olona sy ny mpanohitra

Nohelohin’izy ireo ny fikasan’ireo antokon’olona sy ny mpanohitra mamorona sy mamafy lainga manodidina ny raharaha misy eto Madagasi­kara. Aoka tsy omena sehatra ny tombantombana sy ny honohono ao anatin’itony raharaha itony fa ny porofo siantifika no tokony hitondra ny raharaha, araka ny fanambarana hatrany.
Miombon-kevitra amin’ny filoha koa ny Diamar Eoropa ny tokony hahamatihanina ny sehatry ny fitsaboana.
Momba ny Raharaha Boeing kosa, efa mazava ny fanazan’ny Praiminisitra fa tsy tonga tany aminy sy ny filoha Rajoelina ny taratasy momba ny fanomezana marika “Cer­tificat d’immatriculation provisoire – CIP” ary tsy nampahafantarina azy ireo izany.

Synèse R.

Partager sur: