Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Manohana ny fampandrosoana eny ifotony ny Pnud

Ao anatin’ny fametrahana ny Drafitra stratejika hampandrosoana ny any atsimon’ny Nosy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miaraka amin’ny Pnud.

Noraisin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ireo iraka avy eo anivon’ny Pnud. Nifampiresahana tamin’izany ny fanohanan’ity sampandraharahan’ny Firene­na mikambana ity ny hampandrosoana ireo distrika any atsimon’ny Nosy, miainga amin’ny loharanon-karena eo an-toerana. Hatsangana, araka izany, ny rafitra hanofana sy hiahy ary hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo sampandraharaham-panjakana, teknika (SDT) any an-toerana sy ny eny anivon’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Natao hanamora ny hanetsehana ny loharanon-karena eo an-toerana izany. Hampirisi­hina koa ny firosoana mankany amin’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny fitantanana amin’ny alalan’ny “Digitalisation” miaraka amin’ny fampitaovana ny kaominina. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanohanana ny drafitra mifandray sy azo ampiharina, arakaraka ny faritra tsirairay avy. Nambaran’ny minisitra Andriantsitohaina Naina fa tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana maharitra tanterahin’ny fitondram-panjakana ho an’ny eny ifotony izao ary ma­namafy kokoa ny fahaiza-ma­naon’ireo mpisehatra eny an-toerana.

Tolotra manakaiky vahoaka …
Ankoatra izany, notokanana afakomaly ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana (BSFI) ao amin’ny fokontany Andriampamaky, kaominina Ambohitrony, Manjakan­driana. Manakaiky vahoaka kokoa ny tolotra ho an’ireo mi­karakara ny fananantany sy fandrefesan-tany. Haingana koa ny fandraisana ary mangaharaha sy azo antoka, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny MFFT hatrany.
Tsiahivina fa anisan’ireo rafitra laharam-pahamehana hapetraka manerana ny Nosy, mandritra ny taona 2025 ity, ny BSFI ary hanampy mivantana ny mponina ao amin’ny kaominina manodidina: Sada­be, Ambohitrolomahitsy, Ampa­neva, Ambohibao Sud, Amba­to­mena, Ambohitsehe­no, Antsa­halalina, Ankazon­dandy, Soavinandriana ary Ambohi­trony.

Synèse R.

Partager sur: