Fihaonamben’ny SADC : Hametrahana politikam-pampandrosoana maharitra!

Drafi-pampandrosoana stra­tejika manoritra ny fampandrosoana amin’ny faritra (RIS DP 2020-2030). Io ny ni­ompa­nan’ny andro faharoa sady fa­ran’ny fihaonan’ny tomponandraiki-panjakana ambony sy manampahaizana momba ny fampandrosoana eo anivon’ny Sadc teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Tena tondrozotra ho amin’ny fampandrosoana ma­haritra sy tsy anavahana ary mampitambatra ny faritra eo ani­von’ny Sadc ny RISDP 2020-2030, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Mandray anjara mavitrika amin’ny dinika ny delegasionina malagasy tarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimba­zafy Eric, miaraka amin’ireo solontenan’ny firenena mpikamban’ny Sadc hafa.
Fantatra fa fanombohana ny asa fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 ataon’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc amin’ny 17 aogositra ho avy izao ny fihaonan’ireo mpiasam-panjakana ambony vita omaly. Aorian’izay, ny fi­vorian’ny komity momba ny toe­karena. Izay tapaka amin’izany kosa no hoentina amin’ny filankevitry ny minisitra, izay hatao amin’ny 12 aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa “fampiroboroboana ny indostria, ny fa­nova­na ny fambolena ary ny fi­findra­na angovo ho an’ny Sadc ma­ha­ritra” ny lohahevitra amin’izao fihaonana an-tampony izao. Mi­­fanaraka tanteraka amin’ny vina Sadc 2050 ny RISDP 2020-2030 sy ny laharam-paha­­mehan’ny firenena eto Ma­­dagasikara rahateo ny lohahevitra, araka ny nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Ra­ha­­raham-bahiny. Hama­ritra ny hoavin’ny faritra mpikamban’ny Sadc ny fanapahan-kevitra hi­voaka avy amin’ireo dinika.

R. Nd.

Partager sur: