Oniversiten’Antananarivo – «Salon de l’étudiant» : Hanokatra lalana ho an’ny tanora

Hotanterahina ny 11 sy 12 septambra izao, eny amin’ny Esplanade Ankatso, Oni­ver­siten’Antananarivo, ny « Salon de l’étudiant ». Fotoana hisokafan’ny oniversite amin’ireo mpianatra vao afa-panadinana na ireo mbola mitady lalam-piofanana tiana harahina. Amin’izany no hampahafantarana ireo karazana lalam-piofanana misy eny an-toerana, ao anatin’ireo fakiolte marobe.
Torohevitra momba ny fisafidianana ny fianarana, tolotra ara-piofanana ary karazana asa no ho hita mandritra izany. Eo koa ny fihaonanana mivantana amin’ireo efa mpianatra eny sy ny tomponandraikitra ao amin’ny fakiolte sy ny sampam-pianarana samihafa misy eny an-toerana. Mamaly avy hatrany ny fanontaniana ary manoro lalana amin’ny tokony hatao sy ny antontan-taratasy ilaina raha hiditra hianatra eny ireo tomponandraikitra eny amin’ireo tranoheva. Manampy amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana mifandraika amin’ny asa tian-katao rahatrizay na mifanaraka amin’ny taranja manavana koa izy ireo.
Io fotoana io no hanampiana ireo tanora hanoritra ny hoaviny ary hanazavana amin’izy ireo ny fiaimpiainan’ny fianarana hatao eny amin’ny anjerimanontolo. Haman­ta­rana ihany koa ny fiaimpiainan’ ny mpianatra ny hetsika.
Hisy ny fanentanana maro sy fifanakalozana traikefa ary fijoroana vavolombelona ataon’ny mpianatra sy mpampianatra amin’ireo lalam-piofanana hita eny Ankatso.

Tatiana A

Partager sur: