TSELATRA

Mpivady niara-nosamborina tamin’ny fivaro­tana zava-mahadomelina tao Ampilanonana Amba­tofotsy, kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Tratra tao an-tranony ireo fatorana rongony maromaro izay efa vonona hamidy. Nisy ny fitorohana nataon’ny olona tsara sitrapo nahafahana nisambotra azy ireo.
Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsa­rana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Mananandro Olivier, sy ny vadiny. Voarohirohy amin’ny resaka fisolokiana tanin’olona izy, raha ny angom-baovao voaray.
Olona 12 niara-namoy ny ainy tany Satrokala Ihosy, vokatry ny fivadihan’ny fiarabe iray, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitondra olona sy Mica io fiara be io ary nivadika tany amin’ny 70 km avaratr’i Satrokala. Notanana sy atao andri-maso eny anivon’ny zandari­maria ny mpamilin’ny fiara.
Nahazo moto dimy avy amin’ny solombavambahoakan’ i Madagasikara voafidy tany amin’ny disi­trikan’Ambato Boeny ny zandarimaria miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra any an-toerana. Natao hanatevenana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Ambato Boeny izany.

Partager sur: