Nanatanteraka asa sosialy teny amin’ny fonjan’Antanimora, ny FVKFM, izay notarihin’ny pastora Manilson Pimenta, ny herinandro teo. Nitondra fanampiana ho an’ireo vehivavy sy ankizy tsy ampy taona mifonja ao an-toerana izy ireo.
Bodofotsy, lamba firakotra, vary sy kojakoja samihafa no nentina ho azy ireo. Manodidina ny 800 ireo nisitraka izany tolo-tanana izany. Teo ny Union nationale dans les prisons (UNP) sy ny FVKFM nifarimbona tamin’ny fanatanterahana izany. Ho fiatrehana ny hatsiaka amin’izao ririnina izao ary ho tohana ara-tsakafo ho an’ireo marefo no natolotra tamin’izany.
Nomena tombony manokana ireo zokiolona mifonja noho izy ireo efa marefo na ara-pahasalamana na ara-piahiana.
Indroa no nanaovana ny hetsika tamin’ity taona ity. Lehilahy voafonja 4 000 no efa nisitraka fanampiana toy ny vary sy menaka ary kojakoja samihafa, ny volana janoary teo.
Mbola hitohy ny asa sosialy atao amin’ireo olona voafonja hotanterahina ny volana novambra izao.
Tatiana A




