INDRAY MIJERY

Ho an’ny ankizy sy ny tanora miaina miaraka amin’ny diabeta ny hetsika torolalana ho an’ny olona manana toe-tena diabetika izay fanao eny amin’ny Amadia Faravohitra, amin’ny sabotsy izao. Ny diabeta sy ny sakafo ara-pahasalamana no lohahevitra voizina amin’izany.

Na dia mangatsiaka aza ny andro dia tsy tokony hajanona ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ireo efa zatra izany. Azo atao ihany koa ny manomboka manao izany fitaizam-batana izany ho an’ny hafa. Manampy betsaka amin’ny firindran’ny fahasalamana ny fanao­vana izany sy ny fandanjalanjana ny sakafo. Na mamirifiry aza, ilaina foana ny mihinana voankazo sy legioma madio sy maro loko.

I Soatoavina Hasinkarena no voafantina hisi­traka ny vatsim-pianarana “The Fullbright Program for Foreign Student”, taona 2025-2026. Fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina mba hanome fahafahana ireo mpianatra voafantina hanao asa fikarohana sy hanohy ny fianarany any Etazonia. Hahazoany ny mari-pahaizana Master momba ny “Chemical and Petroleum Engineering” mandritra ny roa taona ny an’i Soatoavina.

Partager sur: