Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto Madagasikara. Mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandary amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana, toy izay efa fanao isaky ny misy rivodoza na ranobe miakatra. Tafiditra ao anatin’ny action civilo-militaire ataon’ireo miaramila, mba hanakaikezana hatrany ny vahoaka izany. Vokatry ny ora-mikija, nahatonga ny fiakaran’ny rano dia maro ireo traboina any amin’ireo faritra maro toy ny any Boeny, Maroantsetra sy ny tapany avaratry ny Nosy. Niroso tamin’ny famindrana ireo traboina amin’ireo faritra dibo-drano ao Mahajanga ireo miaramila sy ireo mpitandro filaminana mifanome tanana amin’izy ireo. Tokantrano maro no voatery nafindra amin’ireo toerana natokana handraisana azy ireo nanomboka, afakomaly. Ireo mpitandro filaminana no miantoka ny fiambenana azy ireo. Nifandrimbona amin’ireo mponina ao an-toerana amin’ny fanalana sy fanadiovana ireo vato nentin’ny onja mahery eo amin’ny sisin-dranomasina ihany koa izy ireo.Mba hamerenana haingana ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. Manentana hatrany ireo olona hiala ny toerana iva koa mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ny Tafika dia eo anilan’ny vahoaka, manolo-tanana sy manome toromarika azy ireo hatrany a,min’izao fandalovan’ny rivodoza izao.
Jean Claude