Raha laharana voalohany ny ekipa malagasy taorian’ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nivarina fahatelo indray taorian’ny fahavitan’ny dingana fahefatra, notanterahina tao Palamas-Les-Flots, France, ny talata lasa teo. Raha tsiahivina, nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana i Zigle sy i Tiana ary i Yves. Resin’ny ekipan’i Bonetto, tamin’ny isa 13 no ho 10, ry zalahy. Sahirana izy ireo satria kianja fasika ary natao ho an’ny tifitra fotsiny izany. Tsy nety nifameno mihitsy ny lalaon’izy telo mirahalahy. Imbetsaka ny Malagasy no voatery nitifitra ny bosoa hatrany i Yves. Nitarika tamin’ ny isa 5 no ho 0 avy eo nihoaran-dry Bonetto, ho 9 no ho 5. Nitarika 10 no ho 5 indray ary voasahala 10 no ho 10. Tsy tafiditra tsara tao anaty lalao mihitsy i Zigle ka voatery natao “pointeur”. Tsy nahitana fahombiazana izany fa tsy maintsy nitifitra bosoa indray. Tsy voan’ i Tiana sy Yves intsony anefa izany ka nitarika ny faharesena.
Ny ekipan’ny Riviera kosa no miverina ho lohany, manana isa 24 arahin’i Bonetto nahazo isa 22. Eo amin’ny fahefatra no misy an’Andriantseheno Christian (Racl), isa 17. Ny Wild Card ny fahadimy, isa 16 ary Italie fahenina, isa 14. Fahafito i Rocher, isa 9. Lalao manaraka ny dingana fahadimy hatao any Nevers, ny
21 aogositra ho avy izao.
Tompondaka




