Ora-mikija: tapaka tanteraka ny lalampirenena fahefatra ( RN4)

Araka ny tatitra natao nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 18 janoary teo, nihazakazaka ny fahasimban’ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’ny nahatonga izany ny tsy fanajan’ny mpitatitra ny fetran’ny lanjan’entana tokony hoentiny. Manampy trotraka koa ny vokatry ny ora-mikija amin’ny vanim-potoana toy izao. Maro ny lalana tapaka.

Nokaohin’ny rano ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), vokatry ny ora-mikija nentin’ny ri­vodoza Cheneso. Nitranga izany, omaly alatsinainy, eo amin’ny 500 metatra mia­loha ny fiviliana mankany amin’ny kaominina Anjajia, distrika Ambatoboeny, faritra Boeny. Nihotsaka ny arabe, ka tsy afaka mifamezivezy intsony ny fiara rehetra. Milaza ny mponina any an-toerana, fa efa ela no nanomboka nisy fahasimbana tsikelikely ity lalana ity, saingy tsy ampy ny fikojakojana, ary izao potika tanteraka izao.
Tapaka koa, nanomboka omaly, ny lalana RN 6, satria difotra ny « radier », vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Mahajamba, eo amin’ny tetezana Mahajamba sy Mahasoa, distrika Mampikony.

Nanambana hitokona ny mpamily
Saika toy izany avokoa ny lalana sy ny lalam-pirenena eto Madagasikara, ny RN 2 mankany Toamasina, ny RN6 mankany Antsiranana, ny RN 7 mankany Antsirabe, Fiana­rantsoa, Toliara, ny RN 34 man­kany Morondava, sns.
Etsy andaniny, namoaka fandaharam-potoana ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny tapaky ny janoary teo, mitanisa ireo lalana mila harenina. Nataony izany taorian’ny ambana nataon’ny mpamily fiarabe fa hitokona tsy hiasa izy ireo, raha tsy mandray fe­petra haingana ny fanjakana.

Tsy nisy intsony ny fanaraha-maso ny lanjan’ny kamiao

Etsy ankilany, nilaza ny fanjakana fa nihazakazaka ny fahasimban’ny lalana eto Madagasikara. Tsikaritra fa mifanandrify amin’izany ny tsy niasan’ny sampandraharaha mpandanja fiarabe, nanom­boka ny taona 2022. Antony, tsy mazava ny fitantanam-bola, ka tsy naharay ny karamany intsony ny mpiasa ary niafara tamin’ny fijanonany miasa. Nanararaotra izany ny mpitatitra, ka nanjaka ny ga­boraraka, tsy nisy intsony ny fanaraha-maso ny lanjan’ ny entana entina, ka nanafain­gana ny fahapotehan’ny lalana, hita ankehitriny.
Tsy niandry minisitera sy fanjakana
Anisan’ny tapaka koa, vo­katry ny ora-mikija, ny lalana mampitohy an’i Fan­driana mankany Miarinava­ratra (mi­refy 24 km), faritra Amoron’i Mania. Tsy niandry ny fanjakana na ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny mponina, fa niray hina ny vatan-dehilahy, ka nanao izay tratry ny heriny, ny asabotsy 21 janoary teo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: