Fiarahamonina sivily ; “Miantoka ny fahamarinan-toeran’ny firenena ny CESC”

“Hanamafy ny Repoblika ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny samy mpiara-miom-­bon’antoka amin’ny fiainam-bahoaka ny fananganana Fi­lankevitra ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina (CES C)”. Io ny fanambaran’ny fiarahamonina sivily, toy ny He­tsi­ka Rohy, Fivmpama, WWF, sns, tamin’ny fihaonana teny Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo. Naneho ny traikefan’ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary tontolo iainana (CESE) tamin’ny fihaonana ny solontena avy any Nouvelle-Calédonie, i Jonas Tein. Ho an’i Madaga­sikara, rafi-pivoriana fahatelo nofaritan’ny Lalàmpanorena­na aorian’ny Antenimierampi­re­ne­na sy ny Antenimierando­ho­lona ny CESC. Hitondra anjara biriky amin’ny fahamarinan-toerana eto amin’ny firenena. Hampiroboroboana koa ny fahafahan’ireo mpandray anjara amin’ny fiovana lehibe eo amin’ny fitondrana tsara tan­tana, ny fanjakana tan-dalàna sy ny fangaraharana ary ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina.
Noho izany, zava-dehibe ny fananganana azy. Eo ny amin’ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana sy fifampidinihana eo amin’ny samy mpiara-miombon’antoka: sampandraharaham-panjakana, sehatra tsy miankina, fiarahamonina sivily, sendikà. Anisan’ny sahanin’ny CESC ny fampahafantarana ny politikam-panjakana, ny fampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy sy ny fitadiavana marimaritra iraisana takina, ny fandraisana anjara amin’ny fanombanana ny fahombiazan’ny politikam-panjakana, ny fandraisana ny solontenam-paritra izay mifandray tsy tapaka amin’ny CESC rezionaly.

R. Nd.

Partager sur: