129 taona, 6 aogositra, teo ny naharava ny fitondran’ny mpanjaka teto Madagasikara. “129 taona niainana tao anaty fanjanahantany hatramin’izao isika”, hoy ny eo anivon’ny fikambanana Gasy Tompon’ny Tany. Ahitana ny vondron’ireo raiamandreny ara-drazana ny fikambanana ary hiady ho an’ny firenena sy ny taranaka, hametraka ny tena fahaleovantena marina.
Nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa ny zanaka, zanaka foana. Menaky ny aina, araka ny nambarany. “Raha misy tsy fitovian-kevitra na tsy fitiavana amin’ny samy olon-dehibe, aleo arovana ny zanaka. Efa mivaona ny politika rehefa izy ireo no atao fitaovana. Endrika faharesena sy fahalemena izany”, hoy izy.
Nametra-panontaniana ny MMM momba ny “Raharaha Boeing”. Nahoana no tsy mbola nantsoina ny ambasadaoron’i Iran, araka ny mahazatra eo amin’ny sehatra diplaomatika? Ahoana no hanazavana fa tsy nahafantatra mialoha momba ny fandraisana fanapahan-kevitra nataon’ny ACM ny filoha sy ny praiminisitra, talohan’ny fipoahan’ny raharaha?
Mafy ny sazy ho azon’ireo voasaringotra na mivantana na ankolaka amin’ity “Raharaha boeing 777” ity, araka ny nambaran’ny mpahay toekarena Imbeh Serge Jovial. “Efa tafiditra ho anisan’ireo « Crime international » io raharaha”, hoy izy. Ny fomba fitondrana ny firenena mihitsy no mampanahy raha fiaramanidina lehibe no lazaina fa tsy fantatry ny mpitondra.




