Nanomboka tamin’ny desambra 2022 ny fampidirana ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny herinaratra vokarin’ny gropy vaovao fahefatra (G4) miainga avy any Andekaleka. Nahomby ny andrana natao nandritra izay iray volana izay, ka efa afaka miasa araka ny tokony ho izy ity G4 ity.
32 MW ny tanjaky ny herinaratra vokariny, hanampy ireo telo hafa, mitondra 89 MW, samy mitondra manodidina ny 30 MW avy. Izany hoe, manodidina ny 120 MW ny fitambaran’ny vokatra avy any Andekaleka. Hampihena ny delestazy ny fisian’ny gropy efatra indray miasa, sady tokony ho ampy tsara ny rano mampihodina azy ireo amin’ izao vanim-potoanan’ny orana izao.
Njaka A.