TSELATRA

Norobain’ny jiolahy tanaty lalan-dratsy ny kamiao lehibe iray tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, Port Berger-Antsohihy, afakomaly. Nisy fiara tsy nety nisongona tao aoriany tamin’izany. Norovitin’izy ireo ny labasin’ny fiara, betsaka ny entana lafovidy very nandritra izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Nigadona teto Madagasikara, omaly, ny vatana mangatsiakan’ny tovovavy iray, 19 taona, nisy namono tany Mayotte, ny 3 aogositra teo. Hita faty teo akaikin’ny torapasik’i Mhila Chanfi Mayotte izy, tany amin’ny 12 alina tany ho any. Andrasana ny fahatongavan’ny razana any Ambilobe, izay tanindrazany.

Partager sur: