“Hahazoana miaro ny tombontsoam-pirenena ny fihaonana an-tampony toy izao, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena izay anisan’ny iompanan’ny vondrona Sadc bebe kokoa”.
Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, omaly, ny amin’ny tombontsoan’i Madagasikara amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Maneho ny haitarika ananan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany. Eo koa ny fahamatoran’ny diplaomasia ampiharina mba hahazoana mametraka an’i Madagasikara eo amin’ny toerana tokony hisy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantara sy ny fahaleovantenan’ny faritra atsimon’i Afrika ny Sadc, ary manampy amin’ny fampandrosoana. Noho izany, manan-danja ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana. “Fomba iray entintsika mampiroborobo ny toekareana eto Madagasikara ny fandraisana fihaonana an-tampony toy izao. Satria hahazoana mampitoetra sy mampitombo ny varotra sy ny fifandraisana ara-barotra”, hoy izy. Hahazoana mampitombo an’ireo mpitsidika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fizahantany koa. Mampitombo ny fampiasam-bola vahiny sy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’ireo firenena mpikamban’ny Sadc, ary mikarakara hetsika maro mifandray amin’izany.
Araka ny rafitra eo anivon’ny Sadc, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramanampanoharana Andry, no mpitarika ny fivoriamben’ny kaomitin’ny fitantanam-bola eo anivon’ny Sadc, teny amin’ny CCI Ivato, nanomboka omaly.
R. Nd.




