Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Miantso fitoniana ny depiote Tojosoa Ideal

Solombavambahoaka anisan’ny nanamafy ny antso avo nataon’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Tokely Jus­tin, ny depiote, Tojosoa Ideal. “Andao hampandeferina ny adihevitra politika fa hifantoka amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc”, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Vangain­drano ity. Nanteriny fa hanome vahana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty Afrika, izao fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Madagasikara izao. Notani­sainy tamin’izany ireo tombony hositrahintsika. Ani­san’izany ny sehatry ny toekarena amin’ny ankapobeny ka tafiditra ao anatin’izany ny varotra sy ny fanondranana ny vokatra eo amin’ny tsena goavana amin’ireo firenena mpikambana ao. Ny famoronana asa marobe sy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ireo tetikasa lehibe sy ny momba ny fotodrafitrasa eo anivon’ny Sadc. “Miantso antsika rehetra hifantoka amin’izao fivorian’ny Sadc izao manoloana ny tombony ho azo amin’izany”, hoy ihany izy. Nanteriny koa fa mifanohana ireo samy firenena ary mifandray amin’ny vinan’ny fitondram-panjakana izany, ankoatra ny fametrahana fitoniana sy filaminana, anisan’ny fotokevitra ijoroan’ity vondrom-paritra ara-toekarena ity.
Notsindriny ny tokony ha­nararaotana ny fitarihan’ny filoha Rajoelina Andry ny Sadc mandritra ny herintaona ka nanentanany ny rehetra hifanohana amin’izany.

Synèse R.

Partager sur: